MPIKABARY SY MPITSARA  :Hivoaka rahampitso ny didim-pitsarana

Rahampitso talata no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ilay mpikabary notorian’ny Mpitsara iray noho ny resaka voambolana « tandra ». Raha tsiahivina, ny volana desambra lasa teo no nitrangan’ity raharaha ity, nandritra ny fotoam-pangataham-bady teto an-drenivohitra.

Efa nihidy nandritra ny 48 ora, tao amin’ny « violon » n’ny biraon’ny polisim-pirenena ingahy mpikabary ary izao miandry ny didim-pitsarana, hivoaka rahampitso izao.

Efa maro ny fanehoan-kevitra nentin’ny Mpikabary manoloana ity raharaha ity. Nivoitra tamin’izany ny ahiahin’izy ireo ho amin’ny hoavin’ny kabary sy ny fampiroboroboana izany raha mitohy ny fanohintohinana mpikabary tahaka izao noho ny antony tsy mazava loatra. Maro tamin’izy ireo, araka izay, no nilaza fa endrika « Ramatahora »  ny tahaka izao mba tsy hivelaran’ny kabary sy hamonoana miandalana ny soatoavina raiketiny.

Vous aimerez aussi