Anisan’ireo asa fivelomana teraka tao anatin’izao fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara izao ny fampiasana ireo kodiaran-droa « moto », ho fitondrana entana sy fividianana ireo kojakoja ilaina, amin’ny fiainana andavanandro, toy ny entona fandrehitra, fanafody, sakafo, sns ho an’ireo fianakaviana na tokantrano mampihatra ny fihibohana.
Mila fifampatokisana sy fahamatorana
Tsy mora, hoy ity mpampiasa ny « moto » ho fitadiavam-bola ity ny mandresy lahatra ireo olona hanana fahatokisana amin’ny fiantsenana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavandro toy ny sakafo, fanafody, sns ho azy ireo. Manodidina ny 5 000 Ar ny sarany takian’ireo mpitondra moto ho amin’ny fanatanterahana ireo iraka ataon’ny olona mihiboka. Mila fahamatorana tanteraka ny asa, hoy hatrany ity mpampiasa moto, mba tsy handiso fanantenana ireo mpanjifa ny tolotra omena.
Ny fiandohan’ny herinandro sy ny fiafarany no tsara ny tsena ho an’ireo mpampiasa ny kodiaran-droa hamaliana ny filan’ireo Olombelona mihiboka. Hatreto aloha, tsy mbola nisy ny olana goavana teo amin’ireo mpitondra moto sy ny olona maniraka azy ireo. Nanamarika ireo efa nampiasa ny tolotra omen’ireo mpitondra moto mpiantsena sy mpamita iraka fa mahafa-po hatreto ny tolotra omen’izy ireo. Malagasy mahay mifamelona sy mifampitsinjo anatin’ny fotoan-tsarotra no tanjona fa tsy Malagasy mifanarararaotra akory.


