KAOMININA AMBOHIMANGAKELY : Miroso ny asa fampandrosoana

Ny fametrahana fomba fiasa matotra sy mangarahara ary tsara tantana eo amin’ny fanjakana foibe sy ireo tsy miankina. Io no raikipohy entin’ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely Rijaniaina Thierry Radafindranaro, manatontosa ny drafitrasam-pampandrosoana, ho an’ireo fokontany miisa 18, mandrafitra ny kaominin’ Ambohimangakely. Tsy nanasarotra ho ahy, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely ny fitadiavana ireo tsara sitrapo tsy miankina vonona hitondra fampandrosoana noho izaho efa mpandraharaha an-taonany maro. Misokatra malalaka amin’ireo rehetra vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny Kaominina rahateo ny lehilahy.

Asa fampandrosoana marolafy

Natomboka tamin’ny fanalàna ireo fako niavosa saika nanerana ny kaominina Ambohimangakely ny vava asa fampandrosoana. Hitohy amin’ny fametrahana takamoa ahafahana manazava ny moron’ny lalam-pirenena faharoa izay mamakivaky ny ampahany amin’ny kaominin’Ambohimangakely izany, hoy ny Ben’ny tanàna.

Anisan’ny olana goavana iainan’ny mponina eny an-toerana ny lafiny famatsiana rano fisotro madio. An-dalana ankehitriny ny fikaroham-bahaolana ho amin’izany toy ny fanaovana lavadrano sy ny fitrandrahana ireo loharano misy eny Ambohimangakley. Ity farany izay fiaraha-miasa iarahana amin’ny tsy miankina ny fanatanterahana azy. Lalana sahabo ho 35 km eo ho eo ihany koa no hasiam-panamboarana sy fanavaozana ao anatin’ny kaominin’Ambohimangakely.

Eo amin’ny lafiny fanabeazana, nanome toromarika ny Ben’ny tanàna ny amin’ny hamerenana indray ny fanabeazana maha olom-banona « Education civique » eny anivon’ireo EPP sy CEG ahafahana mamolavola taranaka vanona ho an’i Gasikara . Efa an-dalana ny fanavaozana sy fanamboarana ireo trano fianarana efa konkan’ny taona nifandimby.

Tafiditra anatin’ny vinanasa goavana eny Ambohimangakely ihany koa ny fanorenana tsena, toeram-pilalaovana sy fanaovana fanatanjahatena ary fialana voly ho an’ny tanora.

Manoloana ny valanaretina coronavirus, tsy mitsahatra ny fanentanana ireo mponina hanaja sy hanaraka ireo toromarika ahafahana misoroka izany. Miara- miasa akaiky amin’ny fanjakana foibe ihany koa ny fiadidiana ny tanàna amin’ny alalan’ny « Opération Tsinjo » sy ny fizarana fanampiana isan-tokantrano ho an’ireo fokontany miisa 18 mandrafitra ny kaominin’Ambohimangakely.

Roa volana sy tapany izay no nitantanan’ny Ben’ny tanàna Rijaniaina Thierry Radafindranaro ny kaominin’Ambohimangakely. Maro sahady ireo asa efa vita fa mbola be no miandry izay azo inoana tanteraka fa ho tontosa miandalana. « Ovaintsika ny tanàna », io rahateo no teny filamatra nentin’ny Ben’ny tanàna nandresy lahatra ireo mponina hifidy azy tamin’ny fifidianana farany teo.

Vous aimerez aussi