FAMPANAJANA NY FEPETRA FIHIBOHANA : Mbola tsy voahaja hatreto, nisy ny fitohanan’ny fiara

Miditra amin’ny fihibohana andiany faharoa isika amin’izao, na “deuxième confinement”.  Ny fiandohan’ity herinandro ity, dia tsikaritra fa vao maraina dia efa feno olona ny arabe, tsy voahaja  ny 1 metatra elanelana. Misy olona tazana manao aro-vava  eny an-dalana ary misy ny tsy manao izany ary tsy fantatr’izy ireo fa efa mihanaka manerana ny nosy anie ilay valan’aretina coronavirus, hoy ireo tompon’andraikitra.  Feno olona ohatra ny teny Ambohijatovo, 67 ha, Ambodin’Isotry ary Anosibe izay nahitana fitohanan’ny fiara. Ny ministry ny atitany dia nilaza fa ny vahaolana tsy hiparitahan’ity aretina ity dia ny tsy fivoahana ny trano. Kivy mantsy ny ministra raha nilaza tamin’ny fandaharana manokana ny alatsinainy lasa teo, fa mahakivy azy ny tsy fanajan’ny olona eto Antananarivo ireo fepetra napetraky ny fitondrana. Ny any amin’ny faritra, hoy ny ministra dia tsy misy olona mivoaka ary manaja ny fepetra rehetra napetraka. Tokony haka tahaka izany ihany koa ny mponina eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny ministra, satria, ny tsy fanajana ny fepetra dia hampihanaka vetivety ity coronavirus ity. Tsy reraka ireto tompon’andraikitra nilaza fa hajao re tompoko ireo fepetra rehetra dia ny tsy fivoahana ny trano, tsy mitakosina amin’ny olona ahiana ho mitondra aretina. Amin’izao mantsy dia tsy fantatra intsony hoe iza no mitondra io aretina io, ka tokony hijanona any an-trano isika, raha tsy misy antony hafa mihitsy, tsy maintsy hivoahana, hoy ny hafatra napetrany.

Vous aimerez aussi