MARC RAVALOMANANA : Hataovy mazava sy mangaraharaha ny fizarana sy fitsijarana ny fanampiana

Nahitsy ny tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no sady lehiben’ny mpanohitra, fa ataovy mazava sy mangaraharaha ny fizarana ireo fanampiana azo avy amin’ny orinasa samihafa sy ny OMS ary ireo firenena hafa nanampy antsika amin’izao ady hatrehana amin’ny valan’aretina coronavirus izao. Loza ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany izy, raha tsy mazava sy mipetraka tsara ny fitantanana ireo fanampiana ireo, na vola, na fitaovana, na sakafo, sns. Tao anatin’ny fihibohana voalohany 15 andro, dia nisy ireo fanampiana avy amin’ny karazana orinasa lehibe eto amintsika sy ny mpamatsy vola avy any ivelany,  entina hisorohana tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity. Aoka atao mangaraharaha “transparence” ny fizarana, eny na ireo fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo mahantra, sahirana ara-pivelomana, ny zokiolona, fa misy amin’izy ireny no mitaraina fa mbola tsy nandray ny fanampiana hatramin’izao.

Nankahery ireo olona voan’ity aretina ity ny filoha teo aloha, fa ho tonga haingana ny fanasitranana ho azy ireo, hoy izy. Ho an’ny vahoaka Malagasy kosa dia tokony hanaja ny fepetra sy hanaraka ny toromarika isika, mba tsy hampihanaka ity valan’aretina ity. Nanipy teny ihany koa ny filoha Ravalomanana Marc, ho an’ny ministry ny fahasalamana, fa tokony hiteny sy hijoro amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao izy, fa tsy hita ny misy azy, nefa izy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany.

Vous aimerez aussi