FILOHA ANDRY RAJOELINA : Handray fepetra amin’ny famohana ireo mpanao gazety any am-ponja

Nankalazaina ny alahady 3 May lasa teo, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ka teny amin’ny tsangambato ny holafitry ny mpanao gazety tetsy Soarano no nankalazaina izany ary nisy ihany koa ny fandaharana manokana, “Fandaharana Mivantana” nataon’ireo haino aman-jery miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana noho izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay.

Mbola tsy mipetraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, hoy kosa ny filoha holafitry ny mpanao gazety, Gérard Rakotonirina,  fa mbola misy ny teritery na eo aza izay fahalalahana izay. Araka ny lalàna 2016-009  mifehy ny asa fanaovan-gazety, dia tokony tsy misy intsony ny mpanao gazety tokony hogadraina fa efa nofoanana iny, nefa amin’izao dia mbola misy ireo namana mpanao gazety naiditra am-ponja, anisan’ireny i Arphine Rahelisoa.

Nilaza kosa ny Filohampirenena Andry Rajoelina, ny alahady alina lasa teo, fa handray fepetra amin’ny famoahana ireo mpanao gazety any am-ponja ny tenany amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy. “Aoka ho modely amin’ny famoahana ny vaovao ianareo mpanao gazety ary hanabe ny olom-pirenena amin’ny fampitam-baovao marina sy mahitsy”, hoy hatrany ny filoha Andry Rajoelina, izay nisaotra manokana ireo mpanao gazety rehetra nohon’ny andron’ny 3 May, izay andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay.

Vous aimerez aussi