Toy ny fanao isan-taona amin’ny fotoanan’ny Ramadan toy izao dia nanolotra “Iftar” an’ny faritra Boeny, ho an’ireo mpiasa silamo ny Directaide Madagascar.
Vary, menaka, ronono, siramamy ary “pâtes” no natolotry ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Clavelah, ho an’ireo mpiasa silamo ao aminy tao amin’ny Lapan’ny faritra teny amin’ny Bord de la mer Mahajanga, ny zoma 1 May 2020.


