MANARINTSOA - AMPEFILOHA : Faritra midorehitra mena amin’ny asan-jiolahy marolafy

Midorehitra mena amin’ny tsifandriampahalemana ny eny Manarintsoa andrefana sy atsinanana mipaka hatreny Ampefiloha. Manao tohivakana ny asa ratsin’ireo mpanendaka, mpamaky trano sy mpanafika toeram-pivarotana.

Vao ny faran’ny herinandro teo, tetsy Manarintsoa, vehivavy mpanao cash point no voatifitr’ireo jiolahy ka naratra mafy raha iny handeha hamoha ny toeram-piasany iny, sahabo, tany amin’ny fito ora sy sasany maraina. Nomarihan’ireo mponina teny an-toerana fa vao iray volana no niharan’ny fanafihana toy izao ihany koa ny fianakavian’ity niharam-boina ity. Tsy andro tsy alina, hoy ireo mponina eny an-toerana hatrany fa dia ahenoana fanendahana ihany koa eny Ampefiloha sy ny manodidina. Mahatalanjona anefa fa mahalana vao mba hahitana ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana eny an-toerana.

Mila fandraisana andraikitra maika

Efa imbetsaka ireo mponina no nampaneno lakolosy fanairana ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny famahana ny olan’ny tsifandriampahalemana eto an-tanàna. Indrisy anefa fa mbola mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ireo monina an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Mila hanaovana hetsika goavana sy maika, araka izany, ny famerenana ny fandriampahalemana mba ahafahan’ny Malagasy miatrika ampahatoniana ny fiainana andavanandro toy ny asa fihariana izay efa sembanin’ny fisian’ny valanaretina coronavirus. Miandry fatratra ilay fomba fiasa matihanina ambaran’ireo mpitandro ny filaminana sy mpisehatra amin’ny fikajiana ny fandriampahalemana, araka izany, ny Ambanilanitra. Ny fitaovana rahateo efa nohatsaraina sy nohatevenina. Inona indray no mbola andrasana fa efa torovan’ny tebitebin-tsaina nohon’ny tsifandriampahalemana Ramalagasy,manginy fotsiny ny fisian’ny valanaretina.

Vous aimerez aussi