« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery…..Ary tsy ketraka izahay ; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny…. ». Izany teny nosorotan’ny Apostoly Paoly, ao amin’ny II Kor 4, izay voarakitry ny « Mofon’aina » amin’ity anio ity izany no nentina nanompanana ny ezaka nataon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ho fanampiana ireo mpianatra, indrindra ireo manana fahasembanana eo anivon’ny sekoly FJKM, noho izao fihibohana noho ny valanaretina coronavirus izao.
Koa notanterahina tetsy amin’ny Foibe FJKM Analakely ny fitsinjarana izany, io maraina io.
Mitentina 21 560 000 Ar
Mitentina 21 560 000 Ar ny tontalin’ireo ezaka samihafa nentina nanampy ireo sekoly ireo. Ankoatra ny Fiangonana samihafa nanatontosa izany dia nandray anjara lehibe koa ny Christoffel Blinden Mission (CBM), izay manana solontena maharitra eto Madagasikara, amin’ny alalan-dRtoa Lila Ratsifandrihamanana.
Nandray ny fanampiana kosa ny Tale nasionalin’ny FJKM, Rtoa Domoina Rakotondranaivo.

Famatsiana vonjy aina
Nisy, noho izany, ny fanolorana vary sy menaka ary savony ho an’ireo ankizy manana fahasembanana eto amin’ny faritra Analamanga sy Toamasina. Heverina hahazo izany ireo ankizy miisa 403 avy amin’ny sekoly FJKM, EPP, ary ny Tsi-miankina hafa.
Ezaka fifampitsinjovana
Nisy koa anefa ny « ezaka fifampitsinjovana » izay fanampiana atolotra ireo mpiara-miasa isam-paritra satria misy ireo mpampianatra matihanina tsy nandray karama tao anatin’ny 2 volana.
Ankoatra izany dia misy ny tantsoroka ara-pedagojika atao ho an’ireo ankizy manana fahasembanana ireo noho ny tsy ahafahany mandeha an-tsekoly.
Ady amin’ny coronavirus
Mba hiatrehana ny ady atao amin’ity valanaretina ity dia nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana, toy ny fitsapana hafanana miisa 22, izay atolotra ny sekoly FJKM miisa 21 ary 1 ho an’ny Foibe FJKM.
Teo ihany koa ny fanomezana « solution hydroalcoolique » sy savony ho an’ny sekoly miisa 66 ary sarontava 1.000 isa, ho an’ny mpianatra sy ireo mpanabe.

Voageja fa tsy tery
Manoloana ny fahazoana manao izao asa soa izao no nananteran’ny Mpitandrina avy ao amin’ny Foibe FJKM fa voninahitra lehibe no atalotra an’Andriamanitra satria na voagejan’ny valanaretina aza isika dia tsy tery amin’ny fanampiana ireo mila vonjy.
Ary izany indrindra no nanomezan’Andriamanitra izao aretina izao, ahazoantsika mitodika amin’ireny madinika osa ireny.
Fampianarana izao, ahafahana mitsinjo ireo olona sahirana.


