Mihatsara hatrany ny vokatra mikasika ny ady atao amin’ny fitsaboana ny olona voan’ny aretina coronavirus. Miisa 36 sisa ireo olona tsaboina voan’izy ity.
Nitombo 2 indray manko ny sitrana, tamin’ity alakamisy ity ary tsy nisy kosa ny olona vaovao voany, tamin’ireo 3.228 natao fitiliana hatrizay.
Mitohy ny fitiliana
Na tsara aza ny vokatra dia mitohy hatrany ny fitiliana ireo olona mety mitondra ny otrikaretina.
Ho antsika eto Madagasikara dia ireo olona ahiana ho mitondra izany aloha no laharam-pamehana. Anisan’izany ireo olona nifanerasera sy nifampikasoka tamin’ireo efa voa, toy ireo niray trano, niray fiara, niray birao,…
Miankina indrindra amin’ny fahafahana sy ny fomba enti-manana manko no hanatanterahana izany.
Ho an’ireo firenena matanjaka any ivelany dia atao fitiliana avokoa ny olon-drehetra. Miankina indrindra amin’ny fitaovana enti-manana sy indrindra koa ny isan’ny mponina izany.
Mitandrina hatrany
Ilaina hatrany anefa ny mitandrina manoloana ity aretina ity satria tsy hita hidifiana izy ity.
Ny fihibohana ihany hatreto no azo antoko tsy hivezivezen’ny otrikaretina. Tandremana fatratra hatrany koa ny fahadiovana, amin’ny alalan’ny fisasan-tànana. Ary tsy tokony hasian-teny firy intsony ny fitondrana arontava sy ny fanajana ny elanelana iray metatra, eny amin’ny fivoriam-bahoaka eny.


