TAKSIBE ETO AN-DRENIVOHITRA : Vola 25.000 ariary no “versement” isan’andro, maty antoka izy ireo

Mahatsiaro tena maty antoka tanteraka ireo fiara taksibe manao ny asa andavanandro amin’izao, noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana izay  tsy maintsy arahin’ireto fiara fitaterana miasa ireto. Maty antoka tanteraka satria tsy misy afa – tsy vola 25.000 ariary sisa no  “versement” entin’ireo mpamily sy mpanampy mpamily any amin’ny tompon’ny fiara. Antony, noho ny famerana ny isan’ireo mpandeha entin’izy ireo sy ny ora voafaritra hiasana ary tsy maintsy mifarana amin’ny 3 ora folakandro.  Nambaran’ny tompon’ny fiara sy ny kaoperativa, fa mbola hangalana ny karaman’ny mpiasa io vola kely io, dia inona intsony no ho anay. “Aleonay mijanona any an-trano, toa izay ho faty antoka tahaka izao”, hoy izy ireo. Hany ka vitsy sisa ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra noho izay vola kely entina mody izay. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana,  mba hijery manokana izao olana izao, ireo tompon’ny fiara sy ny kaoperativa. Nandroso soso-kevitra koa izy ireo amin’ny famendrahana ny fanafody atao amin’ny fiara. Aleo omena ny kaoperativa ny fanafody dia izy ireo no mitsinjara izany isaky ny fiara, mba tsy hisian’ny fanavakavahana, amin’izay mangarahara ny fizarana, fa tsy misy fitanilana, hoy hatrany izy ireo.

Vous aimerez aussi