BESARETY : Napetrapetraky ny Depiote ny vahoaka

Niharitra ny hatsiaka sy ny hain’andro ny vahoakan’i Besarety, nilahatra  nanomboka ny maraina teo. Niandry satria ho avy ny Depiote Anyah, hizara izay mety ho fanampiana ireo vahoaka amin’iny faritra nahalany azy iny. Indrisy anefa, tsy tonga mihitsy ramatoa Solombavambahoaka.

Tsy voafaritra mazava izay ho zaraina. Ny fantatra aloha dia hoe fanampiana. Mety ho tambavy zany na vary na kasibosy,… Ny fantatra aloha dia vahoaka sahirana ireo ka izay mety ho fanampiana dia andrasana ary raisina avokoa. Ankoatra ny vahoaka dia samy sasa-niandry teo ny mpiasan’ny Fokontany sy ny komitin’ny Loharano.

Anisan’ny fepetra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny tsy tokony hisian’ny fitangoronana kanefa navorivory tsy amin’antony ireo vahoaka efa sahirana.

Tsy azo natao ve ny nametraka izany fanampiana izany tamin’ireo Loharano, satria olona nambara ho to teny sy azo antoka eny amin’ny fiaraha-monina izy ireo ?

Mazava, araka izao, fa mbola ny fisehosehoana no loha laharana fa tsy ny tena fanampiana ny vahoaka. Sady rahateo, tsy an’ny Solombavambahoaka akory no hozaraina fa avy any ivelany, izay tantanan’ny Fanjakana fotsiny ihany.

Tsy mbola fotoan’ny propagandy izao kanefa dia tsy vitsy ny olom-panjakana no mieboebo amin’izao ady amin’ny valanaretina izao.

Vous aimerez aussi