FIAKARAN’NY RANO ETO IARIVO : Tsy misy fepetra noraisina hatreto

Taorian’ny fisian’ireny rotsakorana nisesy sy natevina teto an-drenivohitra ireny dia nahitana fiakarany avokoa ny haavon’ireo renirano manodidina ny Renivohitra. Ahiana mafy ny hahavaky ny fefiloha ka sanatria hiteraka tondran-drano goavana ho an’ny renivohitra sy ny manodidina…

Tsy misy fandraisana andraikitra

Maro tamin’ireo faritra manerana ny nosy no efa nianjadian’ny tondran-drano. Singanina amin’ireny ny tany Morondava, Ambatondrazaka. Ho an’Antananarivo, ahiana mafy ny mety hitrangan’izany ihany koa, raha mitohy ny firotsahan’ny orana. Manoloana izany, tsy hita soritra na kely akory aza ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany ho fisorohana mialoha. Azo atao tsara , ohatra, ny nanamafy ireo fefiloha miaro ny renivohitra sy ny fanatanterahana fanadiovana mitohy ireo lakandrano sy tatadrano. Alaim-panahy, ny maro hieritreritra fa andrasana hisy fahasimbana “fahavakisana” indray ve sanatria ny fefiloha vao ho taitra sy hisehoseho amin’ny alalan’ny haino, vaky, jery ireo misalotra ny anarana hoe “Tomponandraikitra”. Toe-javatra efa nitranga ny tsy fandraisana andraikitra mialoha, tamin’ny kere sy ny haintany mianjady amin’ireo mponina any atsimon’I Gasikara ankehitriny. Tsy ny fisehoana ho hitan’ny maro amin’ny alalan’ny fahitalavitra, gazety, onjam-peo akory no ilazana fa miasa ireo tomponandraikitra fa ny fahaizany mampihatra ara-bakiteny ilay hoe : “Aleo misoroka toy izay mitsabo” no mason-tsivana itsarana azy ireo. Hatreto, ny mifanohitra amin’izany hatrany ny zavamisy. Andrasana hisy voina mitranga hatrany vao taitra ny “fanjakana mahefa”.

Vous aimerez aussi