FANAMARIHANA NY 29 MARTSA : 1947 Hiavaka ny fankalazana

Feno 73 taona katroka amin’ity taona 2020 ity ny fitsingerenan’ny  tolom-panafahana nataon’ireo Malagasy tia tanindrazana, ny 29 martsa 1947. Hiavaka  ny fankalazana izany.

Omen-danja ny tantara, ampiana ireo Bekotro maro holatra

Hisy rahampitso, eny amin’ny fasan’ny mahery fon’ny firenena Ambohitsaina, ny fampirehetana indray ny afo tsy maty. Ankoatra izay hitondra fanampiana ho an’ireo akanga sisa nanamborana mbola velonaina ny mpitondra fanjakana  amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana.

Hotanterahana anatin’ny fotoam-pankalazana ihany koa ny fampitana ny fanilo avy amin’ireo bekotro maro holatry ny tolona 29 martsa 1947 ho an’ireo tanora Malagasy ankehitriny. Foto-kevitra ijoroan’izany ny hanehoana fa ilaina ny fanolorana ho an’ireo taranaka ny afon’ny fitiavan-tanindrazana, fahavonana ary ny fanantenana. Hisy ihany koa ny fampirantiana sary, velakevitra. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ny tantara amin’ireo taranaka ankehitriny.  Ezaka tokony imasoana mandrakariva ny fikojakojana ireo tranom-bakoka mitahiry ny tantaran’ny 29 martsa 1947, toy ny any Moramanga. Harena tsy voavidy vola tokoa mantsy izy ireny koa rariny sy hitsiny raha toa ka kajiana fatratra mba hitoetra ho lova sarobidy hatrany.  “Izay diso tantara, ho ratsy fiafara”.

Vous aimerez aussi