Ilaina ny fahaizan’ireo Ben’ny Tanàna miatrika ny fandrosoana sy ny fivoaran’ny tanàna manoloana ny hazakazaky ny toetr’andro sy ny fotodrafitrasa maro. Navoitra izany, nandritra ny fanombohana tamim-pomba ofisialy ny tetikasa atao hoe Gouvernance Urbaine du Grand Antananarivo (na GUGA), io maraina io, teny amin’ny By-Pass.
Kaominina 27
Efa manodidina ny 3 tapitrisa ny mponina eto Antananarivo ary tsy hitsahatra hitombo hatrany izany, hoy ny Tale Jeneralin’ny Ivon-toerana nationaly misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony, Djafar Said Hamad.
Ilaina, noho izany, ny fiomanana amin’ny fivoarana, ankoatra ny fahaiza-mitantana ny tanàna.
Koa Kaominina 27 manodidina an’Antananarivo sy Boriboritany 4 eto an-drenivohitra no hamolavolana ity tetikasa vaovao ity. Tetikasa izay mifototra amin’ny fitantanana sy ny fiomanana amin’ny fivoaran’ny tanàna, satria miha mivoatra ny tanàn-dehibe, amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa maro hapetraka eny amin’ny Kaominina eny, ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. Noho izany, omanina dieny izao sahady izany.
Haharitra 4 taona
Hisy, noho izany, ny fidinana ifotony iarahana mijery amin’ny tompon’andraikitra samihafa, ka hamantarana izay tena ilain’ny mponina.
Haharitra 4 taona eo moa ity tetikasa vatsian’ny Agence Française de Développement (na AFD) vola ity, ary iarahany miasa amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
5 tapitrisa euros no natokana ho an’ny tetikasa ity ka ny 2 tapitrisa euros no voafaritra iasan’ny Ivon-toerana nationaly misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony.


