FANDALOVAN’NY MINISITRA FRANTSAY : Hanao sy hitaona hetsika ny Otrikafo

Hanao fihetsiketsehana ary hitaona ny malagasy rehetra ho amin’izany ny Otrikafo, rahampitso amin’ny 10 ora, etsy amin’ny masoivohon’i Frantsa, etsy Ambatomena. Izany dia ho fanehoana amin’ny Minisitry ny Raharahambahiny frantsay,  Jean-Yves Le Drian, izay mandalo eto amintsika fa mitaky tanteraka ireo Nosy manodidina azy ny Malagasy.

Tsy hamela ireo Nosy ny Frantsay

Entanin’ Atoa Elia Rabevahiny, Sekretera Jeneralin’ny Otrikafo àry ny fahatongavan’ny maro sy ny tokony hitondran’ny rehetra sorabaventy ho fanehoana ny firaisankinan’ny Malagasy.
Heverina manko fa anisan’ny ahatongavan’ity vahiny ity eto Madagasikara ny firesahana mikasika ireo Nosy malagasy manodidina ireo.
Fantatra ihany koa fa manao ny fomba rehetra hanagiazana ireo Nosintsika ireo ny Fitondrana frantsay. Hita porofo amin’izany ny nanamafisan’ny Filoha Macron, ny 13 febroary lasa teo,  ny hanaovana tahiry natoraly ny Nosy Sambatra, mialoha ny volana jona izao.

Fanitsakitsahana

Tsapa, manoloana izany, fa fanitsakitsahana tanteraka ny fiandrianan’ny  Malagasy ny ataon’ny Mpitondra frantsay.
Koa miantso ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, noho izany, ny Otrikafo mba haneho tanteraka firaisankina. Miantso ireo rehetra efa nanao ny ady fitakiana ireo Nosy malagasy ireo ihany koa, indrindra ny Mpitondra Fanjakana malagasy mba hifanome tànana, haneho amin’izao tontolo izao fa antsika ireo Nosy ireo.
Ny Mpitondra ankehitriny rahateo koa efa nilaza fa vonona ny hiady amin’ny fitakiana indray ireo Nosy ireo. Araka izany dia efa lasa raharaham-pirenena tanteraka  ny fitakiana azy ireo, ka ilaina ny fanambarana ny hery. Entanina, noho izany, ny Fitondrana, ny fikambanana, ny antoko politika,…ary ny vahoaka, ka hifanampy amin’izao raharaha izao.
Hampahomby ny fitakiana ny fanararaotana ity fandalovan’ny Minisitra frantsay ity.

Vous aimerez aussi