FANABEZANA SADASADA : Mamotika ireo taranaka Malagasy

Na inona na inona volanina, na inona na inona ambara, ny zaza no mihalehibe ! Mandra-pahatonga eo amin’io sokajin-taona io, marobe ireo mitonona ho « mpanabe » mamolavola ny vatana, ny saina, ny fo ary ny fanahin’ny olombelona iray. Ampahany amin’ireny ireo ray aman-dreny nahitana masoandro (Niteraka), ny mpampianatra isan’antana-tohatra, ny mpitarika isan-tsokajiny, ny mpitondra isan’ambaratongany, sns. Ny voany no hitsarana ny hazo. Taratra avy hatrany amin’ireo olona novolavolain’ireo mpanabe ireo ny momba azy tsirairay.

Fanabeazana hafahafa ?

Raha nobeazina amin’ny maha Malagasy azy ny Malagasy iray, azo inoana fa tsy hivadika amin’izany izy. Matoa vangavanga manantsoratra sy toa sadasada tsy mahalala akory ny fototra nipoirany tahaka izao ny Malagasy, tsy nanome izay tokony ho nomeny (angamba) ireo “mpanabe” ireo. Fanabeazana hafa mihitsy, angamba, ny nampitain’izy ireo ho an’ny zaza sy ireo solofo sy dimby malagasy.

Taiza sy iza eto ambonin’ny tany, ohatra, no manao tsinontsinona ny tenindrazany ka mampianatra sy mitaiza ary manabe ny zanany amin’ny tenin’ny firenena hafa ? Kanefa io tranga io no mitady hahazo laka sy vahana eto Madagasikara tato anatin’ny taona maromaro izay. Tranga mampiseho tanteraka sy mivantana ilay famingavingana sy ny fanamavoana tsy ampiheverana ny maha Malagasy ny Malagasy. Mahavariana, ny tahaka izany indray no ifandrombahan’ny ray aman-dreny, izay marihina fa mpanabe ihany koa. Anisan’ireny, ohatra, ny sekoly mampianatra sy manabe ny zaza amin’ny fitenim-bahiny. Vokatr’izay, tsy mahalala akory (na zara raha mahafantatra) izay momba azy ny zaza beazina any amin’ireny sekoly ireny. « Mihevi-tena ho vazaha », hoy ilay mpanoratra iray izay !

Mila avadika ho lalàna ?

Tsy vitan’ny fiventesana ny hoe: « ovay ny toe-tsaina » intsony ny fanarenana sy ny famerenana ny taranaka malagasy hahafantatra fa Malagasy izy fa mila arahina lalàna, raha ny hevitr’ireo mpandinika fiarahamonina. Raha ny atrehi-maso sy ny ren’ny sofina ary ny tsapan’ny fo sy ny fanahy, toa ilaina tokoa io lalàna io hampitamberina sy hampitampody haingana indray ny sain’ny Malagasy sasany ka hahalalany fa Malagasy izy. Na koa, ny lalàna sasany no havaozina na ovaina mihitsy mba hampiova ny toe-tsaina.

Vous aimerez aussi