Hisy ny fanovana endrika ny sehatry ny raharaham-pitsarana eto amintsika mba hanomezana ainga vao ny fanatanterahana ny asa. Fanambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard izany, manoloana ny fanatsarana ny asam-pitsarana.
Araka izany dia hisy ny fivoriana hataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana ato ho ato, ahazoana mandinika sy mandrafitra izany.
Koa araka ny baiko azo, hoy ny Minisitra dia anisan’ny fanovana ny endriky ny Fitsarana ny fanakisahan-toerana ireo Mpitsara efa nihoatra ny 5 taona ary indrindra ireo efa nitantana ambaratom-pitsarana.
Inoana fa ho tanteraka antsakany sy andavany izany, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity, satria ny Filankevitra ambonin’ny Fitsarana no hanapa-kevitra farany mikasika ny olona tokony hapetraka amin’ny toerana iray.
Koa ho ainga vaovao miaraka amin’ny fanovana ihany koa no hihatra amin’ireny toerana sy ambaratongam-pitsarana isankarazany ireny.
Manoloana izany dia miangavy ireo mpiara-miasa rehetra ny Minisitra mba hiara-hientana amin’izany, satria miova sata, miova andriana ary miova olona.
Araka izany, dia miova koa ny fomba fiasa, miova ny fanehoana izany fitiava-tanindrazana amin’ny alalan’ny fampiharana lalàna izany.


