AMBOHIMANGAKELY : Mila fanaraha-maso ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro

Mahavariana, entana mitovy karazana izao fa samy manana ny vidiny ivarotana azy ireo mpivarotra misehatra amin’ny fivarotana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) eny Ambohimangakely. Toa samy manao izay danin’ny kibony sy maha diavolana ny sainy, araka izany, ireo mpivarotra eny an-toerana.

Ohatra amin’izany, ny vidin’ny menaka iray litatra. Misy amin’ireo mpivarotra eny an-toerana no mivarotra izany amin’ny vidiny 5700 Ar, misy koa anefa ny manao ny vidiny ho 5000 ar ny iray litatra (menaka atsinjarany). Hita taratra ihany koa io fahasamihafan’ny vidin-javatra fampiasa andavanandro io, eo amin’ny vary sy ireo voamaina toy ny tsiasisa. Manoloana izany, rehefa tsy manao fampitahana ireo mpividy dia iharan’ny fanarararaotana hatrany. Tsy ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavanandro ihany anefa no ilana fanaraha-maso avy amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fa mila jerena akaiky ihany koa ny momba ireo fitaovam-pamarana sy fandanjana toy ny  kapoaka famarana ny vary, ny mizana  fa maro amin’ireo mpanjifa eny amin’ny kaominina Ambohimangakely ihany koa no mitaraina mafy fa misy tsy ara-dalàna ireny fitaovam-pandanjana sy famarana fampiasan’ireo mpivarotra sasantsasany ireny.

Mila fandraisana andraikitra maika

Miandry ny fandraisana andraikitra maika avy amin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana ary ireo fikambanana mitonona ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa, araka izany, ireo mponina eny Ambohimangakely izay iharan’ny fampiakaram-bidin’entana fampiasa andavanandro tsy fantam-pototra sy antony mazava hatramin’izao.

Vous aimerez aussi