FOKONTANY ANTOHOMADINIKA FAMI : Niakatra avokoa ny vidin’ny taratasy ilaina sy ny karne

Mitaraina amin’ny afitsoky ny sefo fokontany Antohomadinika FAMI, ny mponina any an-toerana. Araka ny fanazavan’izy ireo, dia mahatratra 1.000 ariary ny maka ny taratasy fanamarim-ponenana na “Certificat de résidence” iray. 3.000 ariary kosa ny karnem-pokontany iray. Nambaran’ireto fokonolona nitaraina ireto, fa sefo fokontany vao notendrena io maka volabe amin’ny antontan-taratasy atao ao amin’ny fokontany io, nefa mbola tsy ampy herintaona no nitantanany dia izao sahady ny fanararaotam-pahefana ataony ao amin’ny fokontany iadidiany. Mimenomenona amin’ny zavatra izay ataony avokoa ny fokonolona ao an-toerana, koa mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa mba hijery akaiky izao tranga izao, fa tsy afa-manohatra ny mponina, izay nambaran’izy ireo fa mipetraka amin’ny faritra iva ary tsy mahatakatra ny vidin’ny taratasy ilaina andavanandro. Nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny mponina teny an-toerana, ny herinandro lasa teo ho fanalana sy/na fanesorana an’io sefo fokontany io. Andrasana ny mety ho tohin’ny hetsika hataon’ny mponina manoloana izao fitarainana voaray izao.

Vous aimerez aussi