Ho tapaka amin’ity anio ity ny lalana manodidina an’Analakely ary tsy azon’ ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra hivezivezena ny lalana eo amin’ny kianjan’ny 13 May. Antony, anio no hanao famerenana farany amin’ny matso ny mpitandro ny filaminana izay mandray anjara amin’io matso lehibe ho tanterahina, ny zomà ho avy izao io. Maro noho izany ireo lalana tapaka eny Analakely manomboka amin’ity anio ity ary ho hentitra ny fitandroana ny filaminana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana eny an-toerana. Ireo olona mipetraka manodidina an’Analakely kosa dia tsy voakasika amin’io fahatapahan’ny lalana io, hoy ny fanazavana. Manomboka anio koa no farany mivarotra ireo mpivarotra eny Analakely sy manodidina, ka aorian’ny faha 26 Jona vao hiverina amin’ny asa fivarotany hataony indray ireo mpivarotra ireo. Tsiahivana fa ho tanterahina eny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ny matso, izay handraisan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana (zandary, miaramila ary polisy) anjara. Tsy afaka manatrika na mijery izany ny olom-pirenena noho ny hamehana ara-pahasalamana ary voafetra ihany koa ny olona afaka hanatrika izany. Ny vahoaka Malagasy kosa dia afaka mijery ny matso amin’ny alalan’ny hainoaman-jery. Marihana, fa ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritry ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena, araka ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana hatrany.


