FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Tsy mahataitra ny olona intsony

Tsy mivaky loha loatra amin’ilay hamehana ara-pahasalamana intsony amin’ny ankapobeny ny ankamaroan’ny olombelona Malagasy hita eny anaty fiaraha-monina eny. Hatreo amin’ny fitenenany fotsiny hoe “Hay ve ka mitohy indray e!” dia vita hatreo ny resaka raha atao vazivazy zaritenany. Raha ny sitrapony aza angamba dia hajanona io serasera isaky ny atoandro amin’ny haino aman-jery rehetra miainga amin’ny fahitalavitra sy onjampeom-pirenena io sy ny fitiliana rehetra fa heverina ho toy ireny aretina mahazatra tahaka ny areti-nify sy sery ireny ity hoe Covid 19 ity dia manatona mpitsabo fotsiny izay tsy mahazoazo aina. Maninona koa, hoy ny sasany raha atao Tam tam toa an’io ny Tazomoka sy ny Dengue hatramin’ny Homamiadana sy ny Sida?. Ireny aza mbola mandripaka lavitra. Ao ireo manadino arovava. Ny sasany eny ambany saoka. Tena tsy mahataitra ny olona intsony ilay hamehana, raha mijery ny zava-misy eto an-tanàn-dehibe. Maika moa izany fa any ambany ravinkazo any.

Vous aimerez aussi