ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : Mila vonjy i Sainte-Marie

Mitaraina ny teraka avy any Sainte Marie, fa tena lasa anjorombala izy ireo amin`izao fisian’ny aretina Covid-19 izao satria efa misy tranga voamarina maromaro any amin`io distrika io kanefa dia toa tsy jeren`ny fanjakana izany. Raha ny tatitra voaray farany dia miisa telo ireo tranga voamarina any Sainte-Marie amin`izao. Raha misy marary mafy dia tsy maintsy hakarina any Toamasina nefa efa volabe ny mandefa izany. Tsy mba nisy ihany koa fiarovana na dia iray tonga tany an-toerana. Araka izany, mila vonjy ny distrika ary mitaraina mafy amin’ny fitondram-panjakana, mba hijery akaiky ny toe-draharaha sao miitatra io aretina io, hoy ireto terak’i Sainte-Marie raha naneho ny alahelony sy ny fitarainany ny faran’ny herinandro teo.

Vous aimerez aussi