Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo zaza kamboty tezaina ao amin’ny Akany Zandarimaria na OGNao Arivonimamo ny fikambanana “Miray Aina Madagasikara”, ny alahady 28 Jona teo. Bodofotsy miisa 35, akanjo 100 kg, akanjo mafana 75 ary arovava 100 isa, no natolotr’izy ireo tamin’izany. Nanome voninahitra izany fotoam-panolorana izany ny Jeneraly lefitra faharoa an’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena sady Filohan’ny filan-kevitry ny OGN sy Ramatoa vadiny. Ho setrin’izany fanomezana am-pitiavana izany dia notolorana “Attestation de Reconnaissance” ny fikambanana “Miray Aina Madagasikara”.


