Trano lehibe iray misy efitra efatra no nirodana ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Noho ny ora-nikija sy rano niakatra teny Mahavoky no nampirodana ilay trano lehibe, hoy ny tatitra voaray. Nambaran’ny tompon-trano, fa efa antitra ny trano ary nisy triatra. Io no nitarika ny firodanan’ny trano niaraka tamin’ny lavarangana. Tafavoaka avokoa ny entana rehetra tao anatiny ary tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Araka ny fanazavana voaray, dia ny tafon’ilay trano no nirodana voalohany, ka nanaraka avy eo ny rindrina sy ny lavarangana. Mpandova avokoa no nipetraka tao amin’ilay trano nirodana. Nisy tamin’izy ireo no nanaiky ny hanamboarana ny trano, nisy ny nialangalana, ka tsy vita ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny trano. Nisy tamin’ireo mpandova kosa no nanao fanohanana tany amin’ny firaisana, fa tsy maintsy arodana io trano io, ka izao narodana noho ny ranobe izao.
Nidina tany an-toerana nijery ny zava-nisy ny delege-n’ny boriboritany fahatelo, Ramiandrisoa Lalaina, niaraka tamin’ny “service technique”. Tsy nisy ny aina nafoy, hoy ny delege ary ny fitandroana ny aina sy ny fananana no antony nahatongavan’ny delege teny an-toerana, ka niroso tamin’ny fandrodanana ny trano izy, niaraka tamin’ny mpamonjy voina. Mametra ary ny misoroka ny loza tsy hihatra amin’ny olona no tanjon’ny delege amin’izao fahavaratra izao. Ankoatra izay, dia nijery ny vahaolana mikasika ny rano miakatra teny Mahavoky koa ny delege, ka efa nisy ny andraikitra sy ny fepetra noraisina hisorohana ny mety fiakaran’ny ranobe eny Mahavoky rehefa avy ny orana, hoy izy, ka ny “dalle” no nojerena voalohany tamin’izao fidinana nataony izao.


