Very fanahy mbola velona, mahatsiaro ho kamboty velon-dray aman-dreny ireo tantsaha malagasy, izay mandrafitra ny 80 isan-jaton’ny mponina eto Gasikara. Tsy misy mitsinjo sy mijery ary manohana izy ireo ho amin’ny fanabeazam-boho ny asa fambolena sy fiompiana ataony…
Kitro ifaharan’ny toekarena sy ny fampandrosoana eto amintsika ny asa ataon’ireo tantsaha. Mahavariana anefa fa tsy misy loatra ny fiahiana sy ny fanampiana azy ireo. Ampahany amin’izany ny tokony hanomezana fiofanana ireo tantsaha ahafahany mampitombo ny vokatra. Tsy hita taratra ihany koa ny fanavaozana sy fikokajojana ireo fotodrafitrasa efa misy tahaka ny tohadrano, ny lakandrano. Vitsy ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao sy fampitomboana ny velarantany hoentina mampitombo ny vokatra. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any am-poton-karena « Ambanivohitra ». Miady irery amin’ny fiatrehana ny asa ratsin’ny dahalo, ohatra, ny ankamaroan’ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy eto amintsika. Mbola mitoetra ho olana ho azy ireo noho ny fisian’ny kolikoly avo lenta ihany koa ny fomba ahazoana tanim-panjakana ho jariana ahafahana mamokatra.
Variana loatra amin’ny fanorenana ireo fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe tahaka ny kianja manara-penitra, toerana fialam-boly, fitsangatsanganana, sns, ireo mpitondra hany ka toa adino ny fiahiana manokana ireo tantsaha. Tsy ratsy ny fanorenana ireo fotodrafitrasa maro ety an-tanàn-dehibe ankehitriny, fa laharam-pahamehana tokoa ve ny fanaovana azy ireny, raha ampitahaina amin’ny tokony handrafetana maika ny drafitrasam-pampandrosoana matotra sahaza ireo tantsaha malagasy. Mila mahay manavaka ny « Maika » sy ny « Laharam-pahamehana », araka izany, ny mpitondra ankehitriny raha tiana ny hampanjary ny asa fampandrosoana dradraina ombieny ombieny.


