FIFANAMPIANA MALAGASY : Nosokafana tamin’ny fambolen-kazo ny faha 70 taona ny fikambanana

Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny faha-70 taona niorenan’ny fikambanana Fifanampiana Malagasy. Ny sabotsy faha 29 febroary lasa teo, no nanatanteraka fambolen-kazo ny fikambanana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely. Manodidina ny 130 teo ireo mpikambana namboly hazo, ka zana-kazo miisa 500 no novolena tamin’izany. Ankoatra ny fambolen-kazo nataon’ny mpikambana, dia teo ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpitantana ny “section” – n’ny Fifanampiana eto Antananarivo. Fanombohan’ny fankalazana ny faha-70 taona izao fambolen-kazo nataon’ny fikambanana izao ary haharitra herintaona ny fankalazana. Marihana, fa ankizy 50 tamin’ireo 130 nanao ny fambolen-kazo ireo, dia avy amin’ny “Copain du Monde”. Nisy koa ny fiaraha-misakafo nataon’ireo mpikambana taorian’ny fambolen-kazo natao tamin’io sabotsy lasa teo io.

Vous aimerez aussi