COVID-19 : Mihanaka eto Antananarivo, mandrimandry manana aretina ?

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mitondra ny covid-19 eto amin’ny faritra Analamanga. Ho an’ny omaly alahady, olona miisa 71 no voatily ho mitondra covid-19 eto Analamanga.

Tsy voahaja ireo fepetra, mampanahy ny hoavy

Manoloana izany, mahavalalanina hatrany ny fahitana ireo olona minia tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana. Singanina amin’ireny ny tokony hitondrana hatrany ny arovava rehefa eny an-dalambe sy any anatin’ireo toera-piasana. Ho an’ny tsy maintsy hametrahana ny elanelana 01 metatra eo amin’ny samy olombelona, anaran-tsy very sisa izany raha ny zavamisy eny anivon’ireo tsena maro eto an-drenivohitra no jerena. Mifanosona ireo mpividy sy mpivarotra eny rehetra eny. Ny fanasan-tanana matetika amin’ny rano sy ny savony ihany koa efa zara raha manantanteraka izany ny ankamaron’ireo mponina noho ny olana amin’ny enti-manana sy ny fitadiavana ny rano madio  ampiasaina.

Mandrimandry manana aretina… ?

Manoloana izany, hahiana mafy ny mety hitrangan’ny loza amin’atambo ateraky ny fihanaky ny covid-19 eto an-drenivohitra ankehitriny. Mila tonga saina ny mponin’Analamanga sy ny manodidina amin’ny fampiharana antsakany sy andavany ireo fepetra ara-pahasalamana. Ny mahavariana anefa toa samy mandrimandry manana aretina avokoa ny mponina sy ireo tomponandraikitra isan-tokony manoloana ity fihanaky ny covid-19 andro aman’alina eto Antananarivo ity.

Tsikaritry ny maro, ohatra, ny fihenan’ny fanentanana atao amin’ireo haino, vaky, jery ny amin’ny tsy maintsy hanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ny ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa mbola tsy nandrenesam-peo sy nitondra fanentanana manokana ho an’ireo mponina manoloana ny tranga misy.

Tsy tazana intsony ihany koa ireo mpitandro ny filaminana manara-maso ny fampiharana izany eny anivon’ny fiarahamonina. Sa efa voafehy, araka, ny fanambaran’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina tokoa ve ilay covid-19 ? Mila mitandrina sy miaro tena ny tsirairay fa sarobidy ny fahasalamana ary lahitokana mantsy ny aina.

Vous aimerez aussi