MORONDAVA : Sahirana ny mpanakanto sy ireo mpisera dia

Misy fifampiankinana sy rohy tsy afaka tapahana eo amin’ny sehatr’asan’ireo mpanakanto sy mpisera dia. Nibaradaka ireo mpanakanto sy mpisera dia any Morondava fa tsy misy ny drala miditra amin’izy ireo noho ny tsy fisian’ny mpizahantany vokatry ny covid-19. Vokany, miaina anaty fahasahiranana lalina ireo mpanakanto, mpisera dia ary hatramin’ireo mpivarotra asa tanana vita malagasy any Morondava ihany koa.

Miandrandra tohana sy vahaolana maika

Manoloana ny fahasahiranana , nanao antso avo sy fanairana ho an’ny mpitondra fanjakana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto sy ny fizahantany ary ireo mpanao asa tanana any Morondava, mba hitady maika ny paikady matotra sy maika hahafahana manampy azy ireo anatin’izao hamehana izao.

Hatreto, hoy, izy ireo tsy mbola mba nisy ny fanampiana voaray tamin’ny fanjakana sy ny fifampiresahana hikarohana ny vahaolana. Hatramin’ny fiandohan’ny volana aprily nivalona iny anefa no tsy nihodina intsony ny seha-piharian’ireo mpanakanto, mpisera dia ary mpanao asa tanana any Morondava.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mirongatra tanteraka ihany koa ny tsifandriampahalemana ho an’ny faritra Menabe. Anisan’ny hahitana tranga na tsifandriampahalemana maro ny ao an-tampon-tanànan’i Morondava ankehitriny. Maro amin’izy ireny no namoizana ain’olona sy faharavana fananana.

Vous aimerez aussi