BETROKA : Rongony 20 gony no sarona, manjaka ny asa ratsy

Tanora vao erotrerony sahabo ho 28 taona no nahatrarana rongony miisa 20 rongony, tany Betroka ny faramparan’ny herinandro lasa teo.

Ny fanarahan-dia natao tamin’ny andian-jolahy avy namaky trano, tao amin’ny toby Betesta, kaominina Betroka no nahasaronan’ireo mpitandro ny filaminana ity tovolahy ity. Nokasaina hamidy tany Ihosy ireto zava mahadomelina ireto, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao famotorana any an-toerana. Anio alatsinainy 22 jona no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Efa nodorana avokoa moa ireo rongony 20 gony sarona tany Betroka ho fampiharana ny lalana manankery.

Tsy mandry fahalemana, manjaka ny asa ratsy

Anisan’ny faritra anjakan’ny tsifandriampahalemana ny any Betroka. Tsy mihanona amin’ny famakiana trano sy ny fandravana omby intsony ireo jiolahy fa efa feno fahasahiana ihany koa mandatsak’ain’olona ankitsirano, hoy ny mponina any an-toerana.

Ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana toy ny basy sy ny fihanaky ny varotra rongony ao atsimon’ny nosy ankehitriny. Ireo mitambatra no vao mainka mampirongatra ny tsy filaminana.

Ankoatra ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, izay mahazo laka any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny, mirongatra ary manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpanao trafika amin’ny fanondranana sokatra. Noamarihan’ireo tomponandraikitra any an-toerana fa efa misy tamban-jotra matanjaka mihitsy ny fanondranana antsokosoko ny sokatra toy ny fisian’ireo mpanondrana hazo sarobidy amin’ny faritra hafa ihany koa. Mila fandraisana andraikitra maika ny toe-draharaha.

Vous aimerez aussi