CORONAVIRUS : Tranga vaovao 20 tamin’ny fitiliana 225 androany

20 indray ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana miisa 225 nataon’ny IPM, araka ny fanambarana ofisialy tamin’ity alahady ity.

Ny 7 tamin’izy ireo dia tao Moramanga, 5 tao Toamasina, 6 Antananarivo, 1 Fianarantsoa ary 1 Toliary.
1 272 noho izany ny isan’ny voa hatrizay.

Miisa 5 kosa no sitrana ka tao Toamasina avokoa izy ireo. Voalaza fa ny 2 tamin’izy ireo no notsaboina tamin’ny tambavy Organics. 367 izany no sitrana hatrizay.

896 kosa ireo mbola manaraka fitsaboina, ka mijanona ho 9 ihany ireo manana fahasemporana.

Mijanona ho 10 ihany koa ireo namoy ny ainy.

Mitontaly 15.756 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

Andrasana ny fanambarana

Andrasana indray, amin’ity takariva ity izay mety ho fepetra ho raisina hiadiana amin’ity valanaretina ity. Mbola hitohy ve ny fihibohana sadasada sa hovahana tanteraka amin’izay ?

Mbola misy dia misy ny tsimokaretina kanefa mikaikaika amin’ny fitadiavana ihany koa ny vahoaka noho ny fanampiana tsy mipaka amin’ny antokon’olona maro.

Dia ho hita eo izay mety ho tohiny fa ny tsara indrindra aloha dia ny miarotena hatrany.

Vous aimerez aussi