Mpivarotra miisa 3 000 no zakan’ny tsenan’Ivato, ankehitriny anefa efa mahatratra hatrany amin’ny 7 000 izy ireo no mampiasa ny toerana ankehitriny.
Maro amin’ireo mpivarotra voaraoka tao an-drenivohitra no mikisaka tonga manao ny asa fivarotany manamorona ny araben’Ivato saingy tsy azo ekena izany ho fanarahana ny lamina amin’ny fandaminana ny tanàna sy ho fikajiana ny fahadiovana ho antoky ny fahasalaman’ireo mponina hoy ny ben’ny tanàn’Ivato Randrianarisoa Penjy.
Tsinjovina ny maha olona, hajaina ny lalàna
Tsy maintsy tsinjovina ny maha olona fa ny lalàna ihany koa tsy maintsy hajaina. Vokany, nandraisana fepetra ireo mbola minia mivarotra ivelan’ny tsenan’Ivato. Nomarihan’ny avy eo anivon’ny kaominina Ivato rahateo fa efa maro tamin’ireo mpivarotra noesorina tao an-drenivohitra ka nihazo an’Ivato no efa nikaroham-bahaolana ny fomba ahafahan’izy ireny manao ny asany anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana amin’izao hamehana iainan’ny Malagasy izao..
Antso avo, araka izany, no nataon’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy ny amin’ny tsy tokony handehanan’ireo mpivarotra nakisaky ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra eny Ivato intsony fa efa tsy misy intsony ny toerana hametrahana azy ireo. Kaominina manana ny lalàna mifehy azy sy manaraka hatrany ny lamina napetraka amin’ny fandaminana ny tanàna rahateo ny eny an-toerana, hoy hatrany ingahy ben’ny tanàna. Tsy ekena intsony, araka izany, ny baranahiny sy ny fanaovana « mandeha ny mandeha ».
Ity farany izay mitady ho lasa tandra vadin-koditra amin-dRamalagasy nefa tsy mitera-bokatsoa akory.


