HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Miverina amin’ny laoniny saingy….

Hiverina amin’ny laoniny, amin’ny ankapobeny, ny fiainana andavanandron’ny mponina manerana ny Nosy, ankoatra ny ao Toamasina I, Toamasina II, Moramanga ary Fenoarivo Atsinanana sy ny Faritra Analamanga.

Izany indray ny fepetra vaovao noraisin’ny Fitondrana tamin’ity takariva ity

Mivaha nefa tery

Na voalaza ho miverina aza anefa ny fiainana andavanandro dia hita tery ihany, satria tsy mbola azon’ny rehetra atao ny famoriana olona mihoatra ny 50. Mbola mikatona, noho izany, ny toeram-pilanonana sy famoriam-bahoaka samihafa.

Ho an’ny Faritra Alamanaga manokana dia miverina amin’ny asany ny rehetra, afa-tsy ireo olona marefo, taizan’aretina toy ny diabeta, tosidrà,….ka asa raha mba hahazo fanampiana manokana izy ireo amin’izany.

Miasa hatramin’ny 5 ora hariva kosa ireo miasa tena. Hatramin’ny 7 ora takariva kosa ny fitaterana, izay tsy voafaritra raha afaka iverina amin’ny taingimbe.

Mitohy hatrany kosa ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina na ny « couvre feu », izay manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina.

Tsy mbola mianatra kosa ny mpianatra amin’ireo toerana voalaza ambony ireo kanefa hisy ihany ny fanadinam-panjakana.

Vous aimerez aussi