CORONAVIRUS : Teratany vahiny mianadahy nahiana ho nisy aretina?

Niala teto Antananarivo ny alatsinainy lasa teo, ho any Morondava ireto teratany vahiny mianadahy ireto, izay nahiana ho nisy ilay valan’aretina “Coronavirus”. Nandoa sy nivalana izy ireo, hoy ny tatitra voaray, ka tsikaritry ny mpamily fiara nitondra azy. Avy hatrany dia natao ny fizahana tany amin’ny dokotera, tao Antsirabe sy Morondava. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia nahiana ho nitondra io valan’aretina io, ireto vahiny ireto, ka nanaovana ny fitiliana sy ny fizahana. Tsy nahitana io aretina io, izy ireo taorian’izay. Nanamafy izany ireo mpitsabo nandray an-tanana azy ireo, tao Antsirabe sy tao Morondava. Araka ny fantatra, dia  mbola tsy hita eto amintsika aloha hatreto, ity valan’aretina “Coronavirus” ity. Na izany aza, dia efa misy ny fepetra noraisin’ny ministeran’ny Fahasalamana sy ny OMS miaraka amin’ny fitondram-panjakana, mba hisorohana ny tsy hidiran’io aretina io eto amintsika. Marihana, hoy ny vaovao avy Morondava, fa efa hita mivezivezy tao antampon-tanànan’i Morondava, ireto teratany vahiny ireto.

Vous aimerez aussi