ANTANANARIVO ATSIMONDRANO : Lasibatry ny delestazy

Mizaka fahatapahan-jiro maharitra hatrany amin’ny ora valo be izao ny eny Itaosy, Anosizato, Andoharanofotsy, Ampitatafika. Mikaikaika ireo mponina eny Atsimondrano ary mampiakam-peo mihitsy noho ny fatiantoka ateraky ny delestazy eo amin’ny seha-piharian’izy ireo sy ny lafiny tsi-fandriampahalemana efa mampiteny ny moana ankehitriny…

Olan’ny fahanterana

Nanambaran’ ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama fa ny fahanteran’ireo fitaovana toy ireo « transformateurs » miasa amin’iny faritra atsimondrano iny no anton’ny fahatapahan-jiro matetika sy maharitra. Efa misy ny ezaka ho amin’ny fanoloana azy ireny, hoy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny Jirama saingy tsy maharaka loatra izany noho ny tsy fahampian’ny enti-manana hanatanterahana ny asa.

411 amin’ireo « transformateurs » miasa ankehitriny no efa mila fanamboarana sy fanoloana, saingy ny 30 amin’izy ireo ihany no hany nasiam-panamboarana sy nosoloina tanteraka. Vokany, ahiana mbola hitohy hatrany ny delestazy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra. Ireo mpanjifa hatrany anefa no mizaka ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra. Fampanantenana ny amin’ny hanafoanana tanteraka ny delestazy no betsaka, hoy ity mpanjifa iray, fa ny tolotra omen’ny Jirama tsy ahitana fanatsarana mivaingana hatreto. Angaha tsy ny mpanjifa no andrianina e ?

Vous aimerez aussi