CORONAVIRUS : Mety ho eto Madagasikara ny fanafodiny

Mety ho hita ary ho vita eto Madagasikara ny fanafodin’ity valanaretina coronavirus ity. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io, nandritra ny dinika nataony tamin’ny televiziona sy ny radiom-panjakana.

Eto amintsika no misy ireo akora hahasitrana ny olona voan’ny aretina, hoy hatrany izy, tsy te-hanamafy loatra ny zava-misy. Nambarany anefa fa nisy manam-pahaizana any ivelany no nifampidinika an-telefaonina taminy naharitra ka nandefa taratasy ho azy, ny 24 marsa lasa teo.

Koa raha misy ny fankatoavana ity fanafody ity dia efa vonona ireo hiara-hiasa amintsika momba izany. Efa misy rahateo ny fanandramana ireo akora eto amintsika, hoy ihany izy, ka afaka manasitrana olona 30 tapitrisa any ho any izany, raha 1,2 tapitrisa ankehitriny no mararin’io valanaretina io.

Nanteriny fa azo atao amin’ny endriny samihafa ity fanafody ity. Na izany ho tsindrona amin’ny làlan-drà na hohanina na ho sotroina,… fa ho hita eo ihany izay mety ho fandaminana amin’izany.

Mbola nataon’ny Filoha ho tsiambaratelo ity manampahaizana niresaka taminy ity, saingy efa naniraka ireo manampahaizana malagasy eto an-toerana ihany koa izy ny hanaovan’izy ireo ny fikarohana.

Be ny finoan’ny Filoha fa ho hita sy ho vitantsika eto ny fanafodin’ity valanaretina ity. Koa hisy ny fifanarahana amin’ny marary sy ireo mpikaroka ny amin’ny hanaovana andrana amin’ity fanafody vokarintsika ity.

Hajoro ny ozinina

Araka izany dia hajoro eto amintsika ny ozinina na ny orinasa hamokatra izany fanafody izany, satria ny fanafody avy any ivelany hatreto no omena sy nahasitrana ireo marary.

Koa amin’ity herinandro ity ihany dia efa hatomboka ny asa ho amin’izany. Misy rahateo ireo firenena vonona ny hanampy, toa an’i Singapour, Inde, Chine ary Maurice.

Hampisongadina an’i Madagasikara ny fahitana sy ny famokarana ity fanafody ity. Tsy eo amin’ny lafiny ara-toekarena ihany fa indrindra eo amin’ny lafiny ara-javaboahary.

Efa ela rahateo no nilazana sy nahafantarana fa manankarena ity Nosy ity, saingy ny vahiny any ivelany hatrany no mitavana izany.

Dia ho hita eo indray ny amin’ity fanafody ilain’ny firenen-drehetra maneran-tany ity. Ho tantely afa-drakotra hatrany ve sa mba misy harena hipaka any amin’ny vahoaka malagasy tompony ?

Vous aimerez aussi