Nolavin’ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava an’i Arphine Rahelisoa, ilay mpanao gazety tonian’ny famoahana eo anivon’ny gazety Ny Valosoa vaovao. Ity farany izay noampangaina fa anisan’ny tompo-marika tamin’ny famoahana lahatsoratra manivaiva ny filohampirenena Andry Rajoelina. Vokany, any am-ponja, araka izany, no hankalaza ny fetin’ny Paka ny namana mpanao gazety Arphine Rahelisoa. Tamin-dranomaso no nandraisan’ireo fianakaviany ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana.
Tsy niandry ela, efa maro ireo fikambanana isan-tsokajiny no nanao fanambarana mitaky ny hamoahana tsy misy hatakandro an’i Arphine Rahelisoa. Anisan’ireny ny fikambanan’ireo mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara. Izy ireo izay nanambara fa efa noesorina tao anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ny fampidirana am-ponja ny mpanao gazety koa sady tsy rariny no tsy ara-dalàna ny mahazo ny namana Arphine Rahelisoa ankehitriny.
Ny filohan’ny holafitry ny mpano gazety Rakotonirina Gérard ihany koa dia tsy nitsahatra ny naneho ny heviny manodidina ity raharaha ity. Nanteriny hatrany fa tandindomin-doza tanteraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ankehitriny. Nanainga ireo mpanao gazety malagasy hanamafy hatrany ny firaisankina i Rakotonirina Gerard, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety manoloana ny toe-draharaha misy eto Madagasikara ankehitriny ary hanatontosa ny asa anatin’ny maha matihanina tanteraka.


