CORONAVIRUS : Marary 4 vaovao no ahiana

26 no tranga vaovao, araka ny filazana ofisialy androany, ka ny 4 amin’ireo, izay samy any Toamasina no manana toe-pahasalamana ahiana.

Mitontaly 612 izany ny isan’ireo voan’ity tsimokaretina coronavirus na covid-19 ity hatreto.

Ny 17 tamin’ireo voa vaovao ireo dia tao Toamasina.

Ny 8 kosa dia teto Antananarivo, ka ny 1 tao Ankazondandy Manjakandriana, 1 tao Amborompotsy Talatamaty ary ny 1 teny Soavimasoandro. Ny 1 kosa dia tany Fénérive-Est, izay natao tany Ambatolampy ny fitiliana azy.

4 kosa no sitrana tamin’ity andro ity,  ka ny 3 teto Antananarivo ary ny 1 tao Fianarantsoa. Manome ny isa 151 izany ireo sitrana hatrizay.

Miisa 459 izany zao no isan’ireo tsaboina, izay 10 amin’izy ireo no manana toe-pahasalamana ahiana.

Ny isan’ny fitiliana nahazoana ireo tarehimarika vaovao ireo kosa dia miisa 250. Izany hoe miisa 9 681 ny tontalin’ny fitiliana natao hatrizay.

Sitrana avokoa ny tao Fianarantsoa

Araka ny fampitam-baovao androany hatrany no nahalalana fa sitrana avokoa ireo olona marary tao Fianarantsoa. Sitrana androany ny olona farany notsaboina tao.

Fototr’izany fahasitranana izany ny fahazoana fitiliana ara-potoana ka tsy nisian’ny fanapariahana ny otrikaretina firy intsony.

Eo koa anefa ny fifehezantena tsy hivezivezy, na eo an-toerana ihany izany na ivelan’ny Faritra.

Tokony ho efa zary fiainana ankehitriny ny manao sarontava sy mifady ny fifampikasohana.

Eo koa ny fananana fahazarana manadio tànana.

Vous aimerez aussi