ANTENIMIERANDOHOLONA : Amin’ny talata 2 jiona ny fihaonana amin’ny Governemanta

Lany teto anivon’ny Antenimierandoholona androany alarobia 27 may 2020 ny volavolam-pandaharam-potoana manaraka ho amin’ity fivoriana ara-potoana voalohany ity.

Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara.

Mandritra ity fandaharam-potoana ity no hanatanterahana ny fihaonana amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny talata 02 jiona 2020 izany. Hisy ihany koa ny fihaonan’ny Loholon’i Madagasikara amin’ireo Minisitra tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo vondrona isan-karazany toy ny EDBM sy ny WATER AID Madagascar alohan’ny handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola-panjakana nasiam-panitsiana.

Rehefa nodinihina tamin’ny asam-baomiera intelo miantaona kosa ny volavolan-dalàna laharana faha 004/2019 tamin’ny 02 oktobra 2019 mikasika ny lalàna mifehy ny serasera (“code de la communication médiatisée”) dia ny alarobia 03 jiona 2020 no handaniana azy.

Mikasika ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola-panjakana nasiam-panitsiana dia heverina ny alarobia 17 jiona 2020 no handanian’ny Antenimierandoholona azy, satria raha ny fanazavana dia mbola tsy tonga eo anivon’ny parlemanta roa tonta io volavolan-dalàna io hatramin’izao ankehitriny izao.

Hisy ihany koa ny fandinihana sy fandaniana ny tolo-dalàna laharana faha 001/2019 momba ny “code de nationalité Malagasy” natolotry ny kestiora voalohan’ny Antenimierandoholona Abdirassoul Mourad sy ireto tolo-dalàna ireto, laharana faha 03-2019/PL mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy, laharana faha 01-2019/PL momba ny satan’ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra izay natolotry ny Solombavambahoaka Razafintsiandraofa Jean Brunel, Filoha lefitry ny Antenimierampirenena.

Vous aimerez aussi