CORONAVIRUS AO TOAMASINA : Namoy ny aina ny mpitsabo iray nitondra tsimokaretina

Nodimandry ny antoandro teo ny Dr. Andriamilavonjy Daniel, Medecin Chef tao amin’ny dispensaire-n’ny hopitalikely Toamasina.

Mbola manjavozavo hatreto  ny anton’ny nahafatesany. Ny azo antoka kosa dia nitondra ny tsimokaretina coronavirus ny tenany, izay azony noho ny fandraisany marary tao amin’ny toeram-piasany.

Araka izany dia nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly manara-penitra tao Morafeno izy omaly sabotsy. Ary izao nodimandry androany alahady izao.

Araka ny feo nandeha dia namono tena ity Mpitsabo ity. Nahitana diana fatotra manko ny tendany ary mbola tsikaritra tao amin’ny efitra nisy azy ny lamba firakotra natao tady niambozonany.

Ny fanadihadiana mbola hatao anefa no hamaritra izany rehetra izany.

53 taona moa ny lehilahy ary izy no Filohan’ny Fikambanana Faritra Toliary (FIFATO) ao Toamasina.

Ny Fanjakana no fantatra fa tompon’andraikitra tamin’ny fandevenana ny razana. Araka ny fepetra moa dia ny BMH no misahana ny fikarakarana rehetra momba izany.

Niatrika ny fandevenana azy teny amin’ny fasambazaha na « cimetière communal » ao Toamasina kosa ny fianakaviany ny tolakandro teo ihany.

Vous aimerez aussi