CORONAVIRUS : 39 indray ny tranga vaovao

39 no tranga vaovao nambara tamim-pomba ofisialy androany, ka nahitana 3 tao Toliary, 6 tao Faradofay, 10 Antananarivo ary 20 kosa tao Tomasina.

Tafakatra 527 izany no voa hatrizay.

4 kosa no isan’ireo sitrana ka nivoaka ny hopitaly. 383 izany ireo an-dàlam-pitsaboana, izay ahitana toe-pahasalamana 6 mananosarotra, ao Toamasina.

Mitombo ny toeram-pitiliana

Ankoatra ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM) dia efa manao ny asa fitiliana ity coronavirus ity ihany koa ny laboratoara ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, etsy Ampefiloha. Fitiliana 459 no vitan’izy ireo ka namoahana ireo tarehimarika androany ireo.

Asa na ny mahamaro ny toeram-pitiliana no mahabe ny olona voan’ity tsimokaretina ity na ahoana. Ny fantatra dia mihamihanaka sy mihamitombo ny olona voany.

Fahazoan-dàlana mitondra aretina

Araka ny feo mandeha dia olona naka razana  tany Toamasina no nitondra ny tsimokaretina tao Fort-Dauphin.

Ankoatra ny sakafo moa dia mahazo fahazoan-dàlana ihany koa ity fitondrana razana mitety Faritra ity kanefa dia fahavoazana lehibe tahaka izao no aterany.

Moa tsy fianakaviana kely iray avy tany Toamasina no nitondra ny aretina tao Anjanahary ? Avy tany Toamasina ihany koa no nitondra tao Manarintsoa ? Toy izany koa ny  Antsirabe sy Vangaindrano ?

Dia asa indray izay faritra manaraka.

Goragora hatrany an-tampony any ny fanomezana ity fahazoan-dàlana ity, ka lasa fanomezan-dàlana hanaparitaka valanaretina no misy.

Raha tsy ny tsirairay mihitsy anefa no miezaka miady amin’ny tsi-fiparitahan’ny aretina dia sasa-poana ihany ny ezaka ataon’ny hafa.

Vous aimerez aussi