LALÀNA MIFEHY NY FANOHERANA : Nodinihan'ireo loholona

Nodinihan’ireo loholona ny alakamisy lasa teo, ny lalàna mifehy ny fanoherana ary mbola ady hevitra be io. Ankilany, araka ny Lalàmpanorenana dia tsy ireo olom-pirenena na mpanao pôlitika mpanenjika sy manakiana ny fitondrana no atao hoe “mpanohitra”, fa ny antoko manana depiote ao amin’ny Antenimierampirenena ary manambara amin’ny fomba ôfisialy eny anivon’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana an’izay maha mpanohitra azy izay. Io antoko io ihany koa no tokony hanolotra ny lehiben’ny fanoherana ao amin’ny Antenimierampirenena ary mipetraka ho filoha lefitra fahafito eo anivon’io andrim-panjakana mpanao lalàna io. Etsy andaniny, efa naneho ny heviny momba io lalàna io ny eo anivon` ny HCC tamin` ny fotoan`androny ary nilaza fa misy banga na tsy ampy izany lalàna izany ary nampanahirana azy tamin`ny fitondrana teo aloha izany. Anisan` ny antony namerenana ny handinihan` ny antenimiera roa tonta izany. Nitondra fanazavana sy hiaro ny tolo-dalàna momba ny fanitsiana ny lalàna N°2011-013 eny anivon` ny Antenimierandoholona eny Anosikely, ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle.

Vous aimerez aussi