BETROKA : Mandripaka ny tazomoka

Tsy latsaky ny 50 isa ireo olona efa matin’ny tazomoka ao amin’ny ny kaominina 22 mandrafitra ny distrikan’i Betroka, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo. Ny ankizy no tena lasibatra amin’izao, hoy ny fanazavany. Manao antso avo foana satria resaka ain’olona no resaka, hoy izy, satria ny tazomoka no tena mahafaty ary tsy misangisangy. Any ambanivohitra no tena ahitàna tranga maro, hoy hatrany ity depiote ity. Tsaboina amin’ny alalan’ny fanafody eny amin’ny farmasia sy hopitaly ny marary fa tsy misy fanafody avy amin` ny ministeran` ny fahasalamam-bahoaka tonga any an-toerana. Nilaza fa hidina any an-toerana ny ministera hitondra izay fanafody izay. Fanentanana amin’ny fanadiovana ny tontolo iainana no ataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana eo am-piandrasana izay fanafody avy amin’ny ministera izay. Ankoatra ny any Betroka dia lasibatra koa ireo distrika maro any atsimo toa an’i Bekily, Ikalamavony, Iakora, Befotaka Atsimo ary Imanja…

Vous aimerez aussi