100 mahery ankehitriny ireo olona voan’ny tsimokaretina coronavirus ka efa sitrana soa amantsara.
Niampy 2 indray manko ireo nivoaka ny hopitaly nitsaboana azy tamin’ity talata ity. Araka izany, mitontaly 101 ny tena isa marina mikasika ireo sitrana rehetra ireo.
Noho ny antontanisa avy any amin’ny Institut Pasteur tsy mbola tonga dia tsy voalaza kosa ny isan’ireo voatily ka mety ho mitondra ny tsimokaretina tamin’ity andro ity.
Mijanona ho 151 ihany izany aloha ny tontalin’ireo olona efa voa hatrizay. Ary 50 ihany koa ireo mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy moa ny manana toe-pahasalamana atahorana amin’izy ireo ary tsy misy koa ny maty.
Araka ny tarehimarika ofisialy kosa dia miisa 3.861 ny tontalin’ireo olona voatily hatrizay. Izany hoe olona 89 no voatily omaly sy tamin’ity maraina ity.
Fanirian’ny rehetra moa ny hampitomboana hatrany ny fanaovana fitiliana, indrindra eny anivon’ireo Fokontany nahitana tranga.
Efa nisy ny fitaovana fanampiana avy any Korea Atsimo izay ahazoana mampitombo ho 3 ny isan’ny laboratoara manao fitiliana eto amintsika. Heverina fa hitombo bebe kokoa izany ny fidinana ifotony amin’ny fampitomboana ireo olona tiliana.
Izany no heverina ho ady voalohany hampitsaharana ny fihanak’ity aretina ity, ankoatra ny tokony handrasain’ny rehetra ny fepetra fiarovana.


