Manan-tany azo hanatanterahana ny vina Tanà Masoandro izahay, hoy ny vahoaka sy ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny kaomina ambonivohitr’Arivonimamo.
Manoloana ny disadisa izay tsy mbola voavaha eny Ambohitrimanjaka, izay kasain’ny Filoham-pirenena hanaovana ny tetikasa mantsy dia manao antso ny faritra manana toerana azo anaovana izany.
Tsy lavitra loatra ny renivohitra rahateo ihany koa ity kaomina ity, hoy ny mponina ka azo atao tsara ny manitatra ny renivohitra aty Arivonimamo, satria efa hipoka vahoaka ao an-drenivohitra ao.
Efa tery Antananarivo ka lany andro amin’ny fitohanana samihafa fotsiny ny fotoana.
Koa mendrika ny hivoaka an’Antananarivo ny tanàna vaovao sady 40 Km monja no elanelany.
Araka izany dia angatahan’Arivonimamo io tetikasa io.
Kianja manara-penitra
Fampanantenan’ny Filoha, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ihany koa ny ahazoan’ity kaomina ity kianja manara-penitra, hoy ny Ben’ny Tanàna. Tsy mbola hita izany hatramin’izao nefa efa miandry fatratra izany ny mponina, ahazoana mampandroso ny fanatanjahantena.
Tetikasan’ny Filoha anefa izany ka izy no tompon’ny teny farany fa faniriana ny anay, hoy ny Ben’ny Tanàna.


