ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Mitaky vahaolana maharitra ireo mpivarotra amoron-dalana

Telo volana mahery kely no nitondran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Andriantsitohaina Naina. Hatreto aloha tsy mbola nahitam-bahaolana matotra ny momba ireo mpivarotra amoron-dalana. Nisy ny hetsika fanesorana azy ireo fa tsy nahitam-bokany loatra…

Niverina

Miverina manemitra ny sisin-dalana indray, araka izany, ny maro amin’izy ireo. Velon-taraina ireo mpivarotra ireo fa ataon’ny polisy kaominaly hazalambo tanteraka. « Tokony hisy ny fanomezana toerana vao miroso amin’ny fanalana anay ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna », hoy ity mpivarotra amoron-dalana nitafa fohy taminay. Nomarihany fa ny vola azo amin’ny fivarotana amoron-dalana izay ataony no miantoka ny fizotran’ny fiainan’izy ireo toy ny fanefana ny hofan-trano, saram-pianarana, sakafo sns. Tsy ny fanesorana bontolo mety hiafara amin’ny fampiasan-kery, araka izany, no vahaolana hampilamina sy hampirindra ny fiarahamonina fa ny fitadiavana toerana voatokana ahafahana mamindra ireo voasokajy ho mpivarotra amoron-dalana. Azo atao ihany koa ny famoronana asa sahaza sy mahavelona ny Malagasy.

Vous aimerez aussi