RAHARAHA CENI : Tsy mazava mihitsy !

Nifanarahan’ny Birao maharitry ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) sy Atoa Thierry Rakotonarivo ny tokony hijanonan’ity farany  amin’ny andraikiny, taorian’ny fanambarana nataony, izay niteraka savorovoro teto amin’ny firenena, hoy ny Filohan’ny Ceni, Hery Rakotomanana nandritra ny fanambarana nataony, io maraina io, teny amin’ny Foiben-toeran’ny Ceni, etsy Alarobia.

Noho ny hamehana, hoy ity Filohan’ny Ceni ity dia nanao fangatahana ny Ceni mba ho eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no hanaovan’i Thierry ny fiarovantenany, raha misy izany. Saingy nolavin’ny HCC moa io ka naveriny tany amin’ny Ceni ny antotan-taratasin’ady, ny 10 marsa.

Ny 11 marsa anefa dia nametra-pialana i Thierry Rakotonarivo ary nankatoavin’ny Birao maharitry ny Ceni izany. Koa nangataka tamin’ny HCC  ity farany mba hanao fanambarana noho ny fahabangan-toerana.

Ary rehefa milaza izany ny HCC dia miangavy ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny Ceni mba hanendry izay ho solon’ity Filoha Lefitra ity.

Tsy madio sy tsy mazava ny raharaha

Nanao fanambarana Atoa Rakotonarivo Thierry ny zomà. Taorian’izany dia nanao fanambarana miaraka ny Ceni ka niaro ity Filoha Lefitry ny Ceni ity, hoy ny Filohan’ny KMF/Cnoe, Andoniaina Andriamalazaray, na dia voalaza ho niteraka savorovoro aza izany.

Mahagaga anefa fa taorian’izay indray dia nanao taratasy fitoriana ny Ceni, teny anivon’ny HCC . Naverin’ny HCC anefa izany noho ny tokony hanarahana ny fitsipika anatin’ny Ceni.

Mipetraka, araka izany, ny fanontaniana ny amin’ny hevitra ambadik’izany. Araka ny filazan’ny KMF/Cnoe  dia tsy madio izany fihetsika izany. Koa rariny raha nametra-pialana i Thierry Rakotonarivo.

Mangarahara hoe ?

Tsy mbola ho rahampitso, araka izany, ny filaminan’ity raharaha ity. Nambaran’ny Filohan’ny Ceni manko fa miasa amin’ny fangaraharana hatrany ny Ceni. Nanao ny mangaraharana anefa ny Lefiny ka notoriany teny anivon’ny HCC.

Araka ny fanambaran’ny mpandinika dia tokony hametra-pialana miaraka aminy koa ny Filohany.

Valalanina ny mpanara-baovao !

Vous aimerez aussi