VOHIDIALA AMBATONDRAZAKA : Nirodana ny Fiangonana FJKM

Rava ny rindrina ka nihotsaka ny tafo. Izany no fahavoazana nihatra tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ao Vohidiala Finoana, ny alin’ny talata 25 febroary lasa teo,  tokony ho tamin’ny folo ora latsaka folo.

Ampahan-drindrina sy ny tilikambo sisa no nijoro, hoy ny fanazavan’ny Mpitandrina, Nafotsy Amédée. Tsy maintsy harodana tanteraka anefa izany, satria nitriatra taorian’ny firodanan’ny tafo ka mety hiteraka loza.

Nasiam-panavaozana

Noho ny ezaky ny mpianakavin’ny finoana dia nasiam-panavaozana ny trano Fiangonana, taona vitsy lasa izay. Nakarina ho avoavo kokoa ny rindrina ary nasiana latsa-tsimenitra manemitra azy. Tombanana ho tsy nahazaka izany vesatry ny latsa-tsimenitra izany ny rindrina rehefa nolemen’ny hamandoana nandritra ny rotsak’orana nisesy tato ho ato, ka nitarika ny fihotsahana sy firodanan’ny rindrina.

Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy, saingy potika kosa ny ankamaroan’ny fitaovana tao anatiny. Koa angataham-bavaka ny fanarenana mba hitsanganan’ny Fiangonana amin’ny endriny vaovao indray, hoy ny kristiana zanaky ny Fiangonana sy ny zanaka ampielezana.

Vous aimerez aussi