VITA NY FIFIDIANANA : Niato koa ny fanamboaran-dàlana

Lasa ny Papa, vita ny fifidianana,… dia niato niaraka tamin’izany koa ny fanamboaran-dàlana teto Antananarivo Renivohitra.

Dia sanatria vonjy tavan’andro ihany ve ny hihazakazahana amin’ny fanamboarana azy ireny ?

Dia tsy mba hanana ny tsara mihitsy izany isika raha tsy misy vahiny tonga eto ? Mandalo fotsiny ihany anefa izy ireny fa ny mponina mitoetra.

Tsy takona afenina koa anefa ny làlana vita sy ny kalitaony amin’ny faritra samihafa, toa an’Alarobia, Anjanahary, Amboditsiry,… Saingy misongadina loatra koa ny fahasimban’ny làlana noho ny  lavadavaka amin’ny arabe maro dia maro eto an-drenivohitra. Anisan’izany Ambodivona, Ankorahotra, Faravohitra, 67 Ha, Ambodimanga, Ambondrona, Analakely, Tsaralalàna.

Raharaha politika

Tsy zava-baovao amin’ny fanaovana politika eto amintsika akory ny fisehosehoana rehefa hisy ny fifidianana. Mandritra ny fampielezan-kevitra amin’izany vao tena miseho ny fitiava-tanindrazana… ankolaka, satria samy miezaka manadio, manamboatra, manampy,… ny kandidà isanisany. Vao dila kosa ny fotoam-pifidianana dia mangina ny tanàna. Mahazo ny sezany izay voafidy dia variana eo ! Zara raha manao tsidi-pahitra ny toerana nilokalokany.

Mitovy loko

Efa mitovy loko izao ny Ben’ny Tanàna sy ny Filoha. Fanirian’ity farany fatratra izany ahazoany miara-miasa ho amin’ny fampandrosoana tena izy.

Tsy mbola hita taratra loatra anefa izany tato anatin’ny volana maro fa ny fampanantenana no tena mitombo isa.

Irina sy antenaina mba hipaka mivantana amin’ny vahoaka tokoa ireny vina ireny. Na ny veliranon’ny Filoha na ny Veliranon’Antananarivo !

Vous aimerez aussi