VIDIN’ENTANA FAMPIASA ANDAVANANDRO : Tsy misy fanaraha-maso intsony

Sary indray mipika sa afon’apombo miredareda amboalohany ! Nakotrokotroka ary nankalazaina fatratra tamin’ny alalan’ny fampiasana ny haino, vaky, jery ny fampahafantarana ny nisian’ny bemidina tamin’ny fanaraha-maso ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro (PPN). Niara-nisalahy tamin’izany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny tomponandraikitra miahy ny filaminam-bahoaka teny amin’ireo tsena mpamongady sy mpaninjara maro teto an-drenivohitra.

Manjaka ny fanarararaotana, mila tohizana ny fitsirihana

Ankehitriny, nitsaha-ketriketrika toy ny sosoa voatapo-drano ny fisian’izany. Maro amin’ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara, araka izany, no manao ny danin’ny kibony amin’ny famerana ny vidin’ireo entana. Ireo mpisora-tena ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa moa etsy ankilany manakombom-bava manoloana ny fanararaotana ankarihary sy mihoampampana ataon’ireo mpivarotra.

Ilaina ny hanohizana indray ny asa fitsirihana ny vidin’entana fampiasan’ny mponina andavanandro ataon’ny minisiteran’ny varotra mba hanamaivanana kokoa ny olana marobe efa baben’ny Malagasy ankehitriny. Maro amin’ireo mpanjifa rahateo no efa nampiakam-peo manoloana ny fampiakaram-bidy tsy hita fototra mazava amin’ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro.

Vous aimerez aussi